- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

 

#- Ampefiloha. Mpitondra môtô maty nohosen’ny kamiô. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga omaly alina tetsy Ampefiloha. Mpitondra môtô iray no maty tsy tra-drano rehefa nohitsahana kamiô lehibe iray. Tsy fantatra mazava izay nahazo ity môtô nentin’ity lehilahy nianjera ity fa nifatratra tany ambanin’ilay fiarabe.

#-Namorona Mananjary. Nampidirina am-ponja avokoa ilay ampanjaka sy ben’ny tanana. Natolotra ny Fampanoavana ireo olona voarohirohy tamin’ilay resaka savorovoro nahafaty zandary tany Namorona Mananjary. Raha ny fantatra dia nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona nandray anjara nivantana tamin’ity resaka ity, ka anisan’izany ilay Ampanjaka sy Ben’ny tanana, tany an-toerana.

#-67ha. Mpanendaka roalahy saika matin’ny fokonolona. Mpanendaka roalahy efa rain-dahiny eny amin’iny faritra 67ha iny no tratran’ny fokonolona am-bodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny ny herinandro lasa teo. Efa notazomin’ireo nahatratra azy izy roalahy ireto ary saika niharan’ny hatezeram-bahoaka sy saika nanefa mbamin’ny ainy raha tsy tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana. Natolotra ny Fampanoavana omaly moa izy ireo.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici