- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversIkopa Nitangorona ny olona, nitsingevana fotsiny ny trondro

Ikopa Nitangorona ny olona, nitsingevana fotsiny ny trondro

Notsihifina fotsiny ! Trangan-javatra hafakely no niseho tamin’iny ranon’Ikopa iny omaly. Olona nitangorona marobe samy niezaka naka izay azony sy nanarato izay zakany. Nitsingevana fotsiny mantsy ireo trondro marobe, karazan’amalona, sy ny maro hafa, tao anaty rano. Nampitsinjaka ireo olona rehetra teny an-toerana. « Raha ny fiheverako azy dia noho ny rano miharitra no mahatonga ireo trondro tsihifina fotsiny toa izao », hoy ny filazan’ny sasantsany tamin’ireo olona mba tonga naka ny anjarany teny an-toerana. « Mana » anaty rano tokoa ve ? Tsy mbola nisy ohatra an’ity tokoa mantsy, hoy ireo mponina sasantsany. Hatreto dia mbola mampametra-panotaniana tokoa ny anton’izao tranga izao. Raha ny fahitàna ireto hazandrano ireto mantsy dia toa trondro efa mamo. Saingy tsy fantatra na mamon’ny inona na mamon’ny inona. Noho izay rano marivo loatra izay ve, sa nisy poizina tafalatsaka tao anatin’ny ranon’Ikopa ? Ny azo inoana aloha, dia hitobaka izay tsy izy ny trondro eny an-tsena ato ho ato ary mety ho mora ny vidiny. Amin’izay lafiny izay no mila fahamailona tanteraka, raha tsy fantatra mazava ny antony nampitsingevana ireo trondro tetsy Ikopa ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici