In-droa nahita ny maizina ireo mpandeha tanatin’ity taxi-brousse iray avy Atsinanana hiakatra ho aty Andrenivohitra ity, omaly vao mangiran-dratsy. Teo an-tampon’i Maharidaza amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, dia lasibatry ny fanakan-dàlana ity farany. Tafajanona tampoka noho izany ilay fiara, ary nikorisa nidina, ary niafara tany anaty hantsana. Vokany olona roa no namoy ny ainy, am-polony maro no naratra. Ambonin’izay dia mbola tsy nananan’ireo olon-dratsy antra fa mbola voaroba fananana sy vola ihany. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina tany ho any no niseho ity trangam-panafihana tamin’ny lalam-pirenena ity. Ankevitry ny efa nandrasan’ireo olon-dratsy teo an-tampon’ity fiakara-mideza, miala kely an’i Manjakandriana ity, ilay fiara. Nony tonga tsara teo an-tampony tokoa dia variraraka ny tora-baton’ireo olon-dratsy, izay mbola tsy fantatra isa hatreto, nibahana ny arabe. Ny hany fantatra raha ny fampitam-baovao azo, dia maromaro ihany satria dia voahodidina tokoa ilay fiara, ary nirongo fitaovam-piadiana izy ireo. Tsy nisy azo nialana, hantsana ny an-daniny ary rindrin-tany ny an-kilany, ambonin’izay, fiolahana ny làlana. Mazava ho azy fa voatery nanajanona tampoka ny fiara ny mpamily. Kanjo zava-doza hafa indray no niseho, fa nihemotra ity farany, nisosa sy nivadibadika tanaty hantsana efa ho metatra maromaro no niafarany. Mpandeha iray tao anatin’ity fiara ity no namoy ny ainy avy hatrany rehefa voatsindrin’ny fiara, maromaro kosa ireo naratra mafy. Nanararaotra izany fahavoazana izany ireo olon-dratsy, nanao izay danin’ny kibony, nandroba ireo mpandeha izay saika tsy nisy afa-nihetsika noho ny ratra sy ny fahatairana. Vola, entana, firavaka sarobidy dia lasan’izy ireo avokoa. Nitsoaka avy hatrany moa ireto farany nony azony izay nilainy. Efa fotoana elaela taty aoriana kosa vao tonga ireo mpamonjy, narahina mpitandro filaminana. Nezahina novonjena tany amin’ny hôpitaly tao Manjakandriana avokoa izy ireo. Nisy tamin’ireo voa mafy no tsy tana intsony ny ainy, noho ny fahaverezan-drà be lotra. Tetsy an-danin’izay kosa, nanao izay fara-heriny, tamin’ny savahao ny manodidina ireo mpitandro filaminana nikarohana ireto andian-jiolahy ireto, saingy efa nafenin’ny alina izy ireo. Efa mandeha moa amin’izao ny fikarohana ireto farany sy ny fanadihadiana. Nisy tamin’ireo mpandeha izay voa mafy kosa no voatery nampiakarina tany an-drenivohitra.
m.L