Vokatry ny fihinanana trondro antsoina hoe : « Samboto », dia olona enina amina tokantrano iray tany Sakaraha no indray naiditra hopitaly, nanomboka ny alin’ny alahady teo, ka zazakely ny efatra amin’ireo marary mafy, raha roa kosa olon-dehibe. Araka ny nambaran’ny raim-pianakaviana iray tsy tra-doza tamin’io fihinanana trondro io, fa nivontovonto avokoa ny vatan’ny vady aman-janany enina, avy eo nivoara-mena ny mason’izy ireo sady nihoaka nandoa. Raha vao nahita ny trangan-javatra ity raim-pianakaviana ity dia nitondra haingana avy hatrany ireo narary, ny alin’ io alahady io ihany namonjy mpitsabo tsy miankina iray tany an-toerana, ary ity farany no nandefa ireo tratry ny fihapoizinan-tsakafo tany amin’ny hopitaly. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy enina mianaka ireto ka tsy misy ahiana intsony ny fahasalamany, hoy ny vaovao voaray. Raha ny fantatra dia trondron-dranomasina avy any Toliara ka namidy tany Sakaraha ireto namparary ireto. Raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny jono, dia anisan’ireo trondro voarara tsy azo hanina sy amidy mandritra ny fotoanan’ny hafanana ny “Tsamboto”, fa mihinana lomotra izay misy poizina ireo trondro ireo, ka ny olona izay mihinana azy dia tsy maintsy marary na mety hiafara amin’ny fahafatesana mihitsy raha tsy voatsabo haingana. Noho tsy fisian’ny fanaraha-maso hentitra, dia manjaka ny gaboraraka, ka tsy vitsy amin’ireo mpivarotra mitady vola no mivarotra ireo trondro voarara amidy mora, misy ny mitety tanàna sy tsena. Ny mpanjifa tsy mahalala moa dia mividy ka marary mafy sady malemilemy zara raha afa-mitsangana tratry ny fihapoizinana avy eo.
Eric Manitrisa