- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mila fanovozana traikefa mandrakariva ny fampianarana

Moramanga : Mila fanovozana traikefa mandrakariva ny fampianarana

 » Fiatrehana ny loza voa-janahary » io no lohahevitra izay dinihan’ireo mpampianatry ny sekoly fanabeazana fototra ato anatin’ny distrikan’i Moramanga mandritra ny telo andro izay tafiditra ao anatin’ny andron’ny pedagojika hoy ny nambaran’ny lehiben’ny farim-piadidam-pampianarana andriamatoa Ratrimoarikoto Harinaivo izay vao nandray ny toerany no sady fivoahany voalohany taorian’ny nanendrena azy; aminy dia izay tsara fiomanana tsy ho tampohin’ny loza ary mifandray betsaka amin’ny fanabeazana ny fisorohana ny loza noho ny fiantraikany eo amin’ny mpianatra indrindra ny any ambanivohitra. Ny 9 ka hatramin’ny 11 janoary 2017 no nanaovana izany ary tao amin’ny kaominia Anjiro no nanokafana izany. Fampiharana avy hatrany ho an’ireo chef zap izao satria vao avy nahavita ny fiofanana nadritra ny 4 andro teto Moramanga izy ireo niarahana tamin’ny ministera foibe. Mila fanamafisam-pahalalàna hatrany ny fampianarana hoy hatrany ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fampianarana ato anatin’ny distrikan’ny Moramanga ity noho ny fisian’ireo zava-baovao entin’ny fanatontoloana. Tokony hahay hanabe ankizy amin’ny lafim-piainana maro samy hafa ny mpampianatra noho ny fisandrahan’ny fanabeaza amin’ny lafiny maro samy hafa.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici