Entana lafo vidy, vakokin’ ny fianakaviana no norobain’ireto mpiralahy ireto. Nandritra ny valo volana dia notaomin’izy roalahy tsikelikely ny entana tao amin’ny tranon’ny fianakaviany. “Nihanika ny tamboho ary niditra tao an-trano namoaka tsikelikely ireo entana sarobidy” izay ny fomba nentin’ireto roalahy nandrobana ireo fananana sarobidy tao amin’ilay trano araka ny vaovao voaray tany amin’ny polisy. Hatramin’ny taratasy mirakitra ny lova niafina tao anatina famataranandro lehibe nihantona tao an-trano aza dia very niaraka tamin’ireto entana ireto. Noho ny fahafatesanan’ny ray aman-drenin’ny tena tompon-trano dia tsy maintsy novohana itsy farany. Akory ny hagagan’izy ireo nahita ny trano banga sy tsy nisy entana intsony. Nandeha ny famotorana ka izy roalahy ireto no voarohirohy tamin’ity asa ratsy ity. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny talata lasa teo moa izy roalahy mianjy ny fitsarana azy.
Kanto R. (Stagiaire)