- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina: Fakana an-keriny an’i Arnaud : Feno herintaona omaly ny nanafahan’ny polisy...

Toamasina: Fakana an-keriny an’i Arnaud : Feno herintaona omaly ny nanafahan’ny polisy azy tao Andranomadio…

Isan’ny fakana an-keriny narahin’olona maro ny nahazo an’i Arnaud sy i Annie anabaviny. Ity farany moa novonoin’ireo mpaka an-keriny azy tamin’ny fomba feno habibiana,  noafahan’ny polisy tao Andranomadio kosa i Arnaud ny 11 janoary 2016 tokony tamin’ny 5 ora hariva, raha nogiazan’ireo mpaka an-keriny azy mitam-basy kalaky nanomboka ny 23 novambra 2015.

50 andro. “Vao nanomboka iny fakana an-keriny iny dia nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po izahay polisy. Niainga tamin’ireo vaovao ireo no nanaovana ny fanarahan-dia ny zava-nisy rehetra ka iny nahitam-bokatra iny, raha efa roa andro talohan’izany no nanaovana ny fitiliana ilay trano niainga tao Mangarivotra ary tonga tao Andranomadio”, hoy ity polisy tsy mitonona anarana nanome fanazavana mikasika ny fanafahana an’i Arnaud. Vokatr’io vaovao azon’ny polisy io sy ny fitiliana ny trano nataon’izy ireo, dia 50 andro taty aoriana dia avotra tao anatin’ny geja nahazo azy i Arnaud, ka tsy lavitra ny trano nahatrarana ilay fiara 4×4 tao Andranomadio no nisy azy. Maty voatifitra tamin’izany ilay jiolahy mpiambina azy, voasambotra kosa ireo mpivady tompon’ny trano nanafenana an’i Anaud sy ilay zanak’izy ireo vavy mpamatsy sakafo, izay mpiray tsikombakomba tamin’ireo andian-jiolahy.

Kalaky sy grenady. Efa nomanina hanafenana olona ny trano nametrahana an’i Arnaud tamin’izao fanafahana azy nataon’ny polisin’ny kaomisarian’i Tanambao II sy ny Vondron’ny polisy hery vonjy taitra (UIR) ary ny hery vonjy taitra ny polisy (FIP), satria efa vita tampina avokoa ireo lavadavaka rehetra tamin’ny trano ary efa vonona avokoa ny kidoro. Mbola nahatrarana fitaovam-pidiana efa vonona hampiasaina koa tao amin’ilay trano, izay nahitana kalaky efatra sy bala niisa 119 ary grenady mahery vaika iray ihany koa. Nanomboka teo ihany koa ny fisamborana tetsy sy teroa nataon’ireo mpitandro ny filaminana. Niisa 70 teo ireo nanaovana fanadihadiana tamin’izany, saingy niisa 27 teo voasaringotra nampidirina fonja vonjimaika, ka isan’izany ilay mpitsara teto Toamasina nampisy resa-be. Taorian’ny olana dia nandray fepetra namindra ny raharaha tao Antananarivo ny fanjakana.

Mikatso? Tamin’ny fotoana nitrangan’ny fakana an-keriny an’i Arnaud sy i Annie ihany koa dia nisy trangana fakana an-keriny telo tsy nisy tohiny intsony, ka teratany karàna avokoa no lasibatra tamin’izay. Ny iray tamin’izany dia notifirin’ireo mpaka an-keriny azy tao Tanamakoa, saingy tsy maty ary mbola voatsabo tany ampitandranomasina taorian’izay. Ny iray hafa kosa dia voatery naka mpitandro ny filaminana miaro azy hatramin’izao noho ny fandrahonana lava nahazo azy ny taona lasa iny, ka nakany fepetra hiarovana ny ainy sy ny fianakaviany. Raha hiverenana ny raharaha Arnaud sy Annie dia sady tsy mihemotra no tsy mandroso ny raharaham-pitsarana ankehitriny, misy aza ireo mahalala tsara ny raharaha milaza fa “mikatso” izany izao, noho ny “anaran’olona ambony” voatonontonona ao anatin’ireo antontan-taratasin’ady eo anivon’ny fitsarana Antananarivo.

Samy miandry izay tena ho tohin’izao raharaha izao ny olon-drehetra, indrindra fa ny fianakavian’ireto ankizy nisy naka an-keriny sy mbola novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny iray tamin’izy ireo ireto. Manantena ny hahavitan’ny fitsarana sy tena hivoahan’ny marina amin’ity taona ity izy ireo…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici