- Publicité -
dimanche, août 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsalovana : Nalefa eny Tsiafahy ilay namono mpanotra

Antsalovana : Nalefa eny Tsiafahy ilay namono mpanotra

Nandeha tamin’ny gazety rehetra ny fisian’ny rangahy efa lehibe iray (73 taona) maty irery tao an-tranony. Mpanotra ny asany ary fanta-daza amin’izany izy eo an-tanàna, eo Antsalovana 67ha. Ny isan’ny tena nandehanan’ny sain’ny maro fa novonoina ilay rangahy dia ny fisian’ny “cadenas” nanidy ilay trano avy aty ivelany. Nomarihan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava ihany koa fa nivoaka ny lelan’ilay rangahy tamin’izy hita faty tao an-tranony. Nipetraka avy hatrany ny fanahiana – nanomboka tamin’ny 3 janoary, andro nahitàna ny razana – fa vonoan’olona no nitranga. Rehefa nandeha ny fanadihadian’ny pôlisy dia nandeha tany amin’ny lehilahy iray monina eo an-tanàna, tsy mifanalavitra loatra ny tranon’ilay mpanotra, ny fanahiana voalohany. Ny antony dia satria tsy hita izay nanjavonan’io olona io raha vao nitranga ny vonoan’olona. Manaraka izany dia nisy koa ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny vadiny, izay tsy nanafina ny fanahiany ilay raim-pianakaviana ho nahavanon-doza. Raha araka ny tatitry ny pôlisy dia nilaza tamim-badiny ilay rangahy fa manam-bola be ilay mpanotra. Fantany hatramin’ny hoe mampiditra 80.000 ariary isan’andro aza ilay rangahy lehibe. Taorian’izay dia nividy antsibe sy “pétrole” izy ary tsy nohazavainy mihitsy ny anton’izany. Ireo toe-javatra telo ireo, rehefa tonga teny am-poto-tsofiny mpanao fanadihadiana dia nampitombo avy hatrany ny fanahiana azy. Natao ary ny vela-pandrika rehetra amin’ny fisamborana azy. Niverina tsimoramora tao an-tanàna ilay rangahy rehefa vita ny fandevenana ilay olona novonoiny, ny 6 janoary teo. Efa narahi-maso izy nanomboka teo ary niafara tamin’ny fisamborana azy izany paika izany. Niaiky ny helony tokoa ilay rangahy raha araka ny fanazavan’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana. Mbola nohazavainy ihany koa aza fa nodorany ilay trano rehefa maty nokendainy ilay mpanotra. Izany no nilany ilay solitany. Nararany tamin’ny kitay izany saingy tsy nirehitra tsara ary mba tsy may ilay trano. Omaly no natolotra ny fampanoavana ilay rangahy ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy avy hatrany taorian’izay. Ny dosie ara-pitsarany no nahafantarana fa efa nisazy ihany ity lehilahy 34 taona ity taloha.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici