- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversVely « bois rond » : Mitohy indray, olona iray maty, iray...

Vely « bois rond » : Mitohy indray, olona iray maty, iray hafa naratra mafy

Miverina indray ilay resaka vely « bois rond ». Toerana roa samy hafa, ary samy vely « bois rond » sy fanendahana avokoa no nahazo ireto roalahy, ny alarobia hifoha alakamisy teo. Niafara tamin’ny fahamoizana aina mihitsy ny an’ity tovolahy iray teny amin’iny faritra Manjakaray iny. Naratra mafy kosa ary mbola tsaboina any amin’ny toeram-pitsaboana ny rangahy iray, teny Ambohitrarahaba indray. Raha ity teny amin’ny faritra Manjakaray iny ity, dia omaly vao maraim-be no hita faty teny an-toerana, tsy lavitra ny toeram-ponenany ny tovolahy iray vao 23 monja. Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia nisy fiandrasam-paty teny amin’iny faritra iny tamin’io alina io. Nilaza ny handeha hody tamin’ireo olona nony madiva haraina tany ho any. Ary dia gaga ny mponina rehetra raha nahita azy tsy nisy aina intsony, hita omaly maraina io. Nahitana ratra toy ny daroka tamin’ny hazo teo amin’ny lohany sy ny lamosiny, raha ny vaovao hatrany. Antony izay inoana fa nitondra azy ho tamin’ny fahafatesana. Voalaza ihany koa fa sady voaendaka ihany koa ity tovolahy ity. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra, ary nentina tany amin’ny tranom-paty ny razana. Fa rangahy iray ihany koa no naratra mafy rehefa nisy nively tamin’ny « bois rond » teny amin’iny faritra Ambohitrarahaba iny ny alarobia alina teo. Tsy vitan’ny voavely rangahy ity fa mbola voaendaka ihany koa, ary fantatra fa lasa tamin’izany ny vola rehetra tany aminy. Araka ny fanazavana nomeny dia andian’olona no nifanena taminy raha iny izy handeha hamonjy fodiana iny. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia daroka no azony. Rehefa nitsirara tamin’ny tany ity lehilahy ity dia nararaotin’ireo olon-dratsy noendahana. Olona sendra nandalo no nahita azy ka nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tsiahivina fa efa nisy naman’ireo mpanendaka mpively « bois rond » ireto no efa voasambotry ny pôlisy ny faran’ny herinandro teo, ary efa nadoboka any Tsiafahy. Saingy raha ireto tranga ireto no jerena, toa mbola maro ireo olon-dratsy miriaria any.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici