Lanonana telo sosona miavaka no notanterahina tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny alakamisy 12 janoary lasa teo. Io andro io, izay andro natokana ho fetin’ny manamboninahitra rahateo, no nanolorana ho eo ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra miisa 66 ao amin’ny andiany mivantana faha-40 sy ny andiany manokana faha-32. Ankaotra izay ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny faha-50 taona nidiran’ireo mpianatra ho manamboninahitra voalohany tao amin’ny sekoly. Raha tsiahivina fohy dia ny 12 janoary 1967 no nandray ireo mpianatra ho manamboninahitra voalohany ny sekoly. Herintaona taty aoriana dia nankalazaina ho fetin’ny sekoly io daty io ary ny taona 1970 rehefa nivoaka ireo manamboninahitra voalohany tao amin’ny ACMIL dia nanapa-kevitra izy ireo fa hatokana ho andron’ny manamboninahitra malagasy rehetra ny 12 janoary, ary ankalazaina isan-taona. Nisy noho izany ny fitokanana ilay tsangam-bato lehibe manamarika ny faha-50 taona. “Mandritra ity taona 2017 ity no hankalazana ny faha-50 taona fa fanombohana ihany no natao anio”, hoy ny kaomandin’ny Akademia miaramila, ny kolonely RAMASY Razafindratovo Heritiana. Maherin’ny 3500 ireo manamboninahitra efa nanaraka ny fampianarana sy ny fiofanana nandritra izay 50 taona izay. Ankoatra izay, manana ny lazany koa ny ACMIL eo anivon’ny kaontinanta Afrikana, satria isan-taona dia saika misy hatrany ireo mpianatra ho manamboninahitra afrikana tonga mandrato fianarana sy fampiofanana ao amin’ny sekoly. Marihina moa fa ireo lanonana ireo dia notanterahina teo ambany fiahin’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, niaraka tamin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ary notronon’ireo manamboninahitra maro avy amin’ny lafivalon’ny nosy sy ireo manamboninahitra sivily sy miaramila maro.
Andry N.