Fanafihan-jiolahy maherivaika no niseho tao amin’ny tanàna iray tany amin’iny faritra Ankazobe iny ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Tokantrano iray tany an-toerana no nanaovana andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana amboletra nidirana. Vokany, naratra mafy rehefa avy nofirain’ireto olon-dratsy ireto tamin’ny famaky ny raim-pianakaviana iray, niaraka tamin’ny zanany. Vola an-tapitrisany kosa no lasa. Araka ny fampitam-baovao azo, rehefa tafiditra tao amin’ity tokantrano ity ireo jiolahy dia nandrahona ny tompon-trano hamoaka ny vola. Nandà ny fisian’izany anefa ireo tao an-trano, antony iray izay nampisendaotra ireto biby fanahy ireto. Tsy nisalasala mihitsy izy ireo namely tamin’ny famaky ilay rangahy, izay niezaka nijoro niaro ny vady aman-janany. Rehefa lavo tamin’ny tany ity farany dia tany amin’ny zanany indray no niantsampy ireo tsy valahara. Noho ny hery tsy mitovy sy tahotra dia nanaiky namoaka izay tahirin’izy ireo tao an-trano ihany ireto tompon-trano. Azon’izy ireo izay nilainy dia nanao tari-dositra ireto jiolahy. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy sy niantso mpitandro filaminana ireo voatafika. Efa mandeha moa ny fikarohana ireto andian-jiolahy ireto. Nalefa notsaboina haingana tany amin’ny hôpitaly kosa izy mianaka naratra mafy.
m.L