Tao anatin’ny roa andro, ny 11 sy 12 janoary lasa teo, dia mpanendaka dimy lahy no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany. Naharay fitarainana indroa miantoana miresaka fanendahana ny polisy ka nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany. Tamin’ny fitarainana voalohany no nahalalana fa olona iray no nendahana enin-dahy teny Isoraka, ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro. Very tamin’izany ny findainy sady voarahona ho faty tamin’ny antsy itsy farany raha mitady hanaraka ny dian’ireto mpanendaka. Nandritra izany asa fanendahana izany anefa dia nisy polisy teo amin’ny manodidina ka niroso avy hatrany tamin’ny fanenjehanna ireto olon-dratsy. Vokany, voasambotra ny iray fa tafatsoaka kosa ny dimy ambiny. Nandritra ny famotorana natao azy teny amin’ny biraon’ny polisy no nanoroany ny namany sy nanekeny ny heloka vitany. Natao ny fisamborana ka ny telo no tratra tany amin’ny tranony avy fa ny roa kosa tsy hita popoka hatramin’izao. Mpamerin- keloka avokoa izy ireo ary mbola zatovo satria manodidina ny 16 sy 17 taona. Tsy vitan’ity tranga iray ity ihany anefa no niseho ny andron’ny alarobia io fa nisy voaendaka ihany koa teny Soarano. Tamin’ny valo ora alina dia lehilahy iray no niharan’izany ka very ihany koa ny findainy. Tonga nametraka fitarainana ihany koa itsy farany ka taorinan’ny fidinana teny an-toerana dia mpanendaka iray no voasambotra. Nampifanatrehana ny voampanga sy ny lasibatra ka voamarina fa izy tokoa ilay olon-dratsy. Mahakasika ilay finday kosa dia efa lafony teny Ambodin’Isotry ka nosamborina ihany koa ilay mpividy halatra. Ny famotorana natao na nahalalana fa ny faritra Ampasika sy Anosy no famelezany. Natolotra ny fitsarana omaly ireto voampanga dimy ireto.
Analakely : Asa fanendahana sy sinto-mahery: dimy lahy tra-tehaky ny polisy
Articles qui pourraient vous intéresser