Kamiô mpanangom-bokatra iray avy any amin’iny faritra Alaotra iny no lasibatry ny jiolahy mpanakan-dàlana ny marainan’ny sabotsy lasa teo, kilaometatra maromaro tsy hiditra an’i Moramanga. Vola aman’hetsiny maro no azon’ireo andian-jiolahy tamin’io fotoana io. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra. Araka ny fampitam-baovao azo dia miendrika mpitandro filaminana sy manao fanamina toa izany ireto andian-jiolahy teo amin’ny enina teo. Mitondra fiara tsy mataho-dàlana ihany koa izy ireo, izay nabahany teo amin’ny làlana. Nihevitra araka izany ireo tao anatin’ilay fiara mpanangom-bokatra fa hisava ny taratasin’ny fiara toy ny mahazatra ireto olona ireto. Zavatra mihitsy anefa no niseho rehefa nanatona ny roalahy tamin’ireo tanaty fiara. Tsy nisy alaharo alaharo fa ny basy kalach teny an-tanan’izy ireo no nandrahonany ilay mpamily, izay tsy afaka nanao n’inona n’inona afa-tsy ny nanome izay vola rehetra tany aminy. Azon’ireo andian-jiolahy ny vola dia lasa nitsoaka izy ireo. Fantatra moa fa efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana, tena izy ny raharaha amin’izao fotoana izao. Ny tranga toa izao tokoa no mbola tsy nahitam-bahaolana amin’ny resaka asan-jiolahy amin’ireny lalam-pirenena ireny. Ny hiafaràny mantsy dia tsy maintsy tafajabaka foana anatin’ny fandrik’ireo olon-dratsy ilay lasibatra. Tsy fantatra intsony mantsy ny tena izy sy ireo olon-dratsy, hany ka na very fananana na mety hamoy ny ainy ilay voatafika, na ho tojo fanindroany amin’ilay tranga niseho volana maromaro lasa izay tamin’iny lalam-pirenana fahafito iny. Ilay mpitandro filaminana nitifitra taxi-brousse, fa nandà ny hijanona tamina barazy.
m.L