- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Taxi-be sy fiaran’ny ministera nifandona, iray naratra mafy

By-pass : Taxi-be sy fiaran’ny ministera nifandona, iray naratra mafy

Taxi-brousse, taxi-be, mandratra ny mpandeha hatrany (sary tahiry)

Tapaka ny tongotr’ilay lehilahy iray mpandeha taxi-be. Izany dia vokatry ny fijanonana tampoka nataon’ny taxi-be iray ka nifandonany tamin’ny fiara taoriany. Ny antoandron’ny asabotsy teo no nisehoan’ny loza izay tsy vao voalohany akory. Raha araka ny fantatra dia 4X4 an’ny ministeran’ny atitany ilay nifatratra tao amin’ilay taxi-be nijanona tampoka. Voamarina teny an-toerana ihany koa, fa taxi-be mampitohy an’i Alasora sy Behoririka io niharan-doza io. Nentina teny amin’ny Hjra ny naratra ary noraisin’ny zandarimaria ao Ambohimangakely kosa ny fanadihadiana. Tsy vao voalohany akory no nisian’ny fiara fitaterana izay nanao lozam-pifamoivoizana teo amin’ny By-Pass. Isan’ny làlana milamina sy tsy misy fitohanan’ny fifamoivoizana anefa eo an-toerana ary tokony tsy dia hisy matetika ny tranga toy izany ho an’ny taxi-be. Ankehitriny dia lasa tahotra ho an’ny olona ny fandehanana amin’ireo fiara fitaterana eto Andrenivohitra, saingy tsy fidiny fotsiny, isa ny handehanana amin’izy ireny. Manginy fotsiny ny loto ao anatiny sy ny fitapitaka ary ny halatra isan-karazany. Tsy ny taxi-be ihany fa ny mpandeha taxi-brousse ihany koa no tena miady aman’aina. Tsy hiverenana intsony angamba ireny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’ny lalam-pirenena izay nahafaty olona maro hatramin’ny niandohan’ny taona. Voatonona matetika ny marika “sprinter” raha araka hevitry ny olona. Isan’izany ny hoe matanjaka loatra io karazany iray io raha hatao taxi-brousse. Saingy rehefa zohiana dia ny tsy fitandreman’ny mpamily hatrany no tena mitera-doza izay ny voa voalohany dia ny mpandeha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici