Nidedaka ny afo tany Fianarantsoa omaly hariva tokony ho tamin’ny dimy ora hariva teo. May kilan’ny afo ny tranon’ny frera ao amin’ny « Sacré cœur » tao Tsaramandroso Fianarantsoa. Raha araka ny vaovao voaray dia nandrehitra labozia ny tao an-trano. Noho ny fanadinoana dia tavela teo ity labozia ka nampirehitra ny trano. Ny tany amin’ny rihana farany ambony no tena hita voa mafy. May kila tsy nisy azo noraisina ny fitaovana sy ny entana rehetra tao anatin’ny trano. Tao amin’ny efi-trano fatoriana dia tsy nisy azo ampiasaina intsony ny fandriana rehetra fa lasa lavenona avokoa.
Kanto R. (Stagiaire)