Eny Andranobevava ka hatrany Analamahitsy. Ireo no tena faritra anjakan’ireo mpanendaka, ary ireo olona tratra hariva, na voatery mody hariva no tena lasibatra amin’izany. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo mpitondra fiara, na ireo tratra anaty fitohanana no mikaikaika amin’ny afitsok’ireo mpanendaka. Nisy araka izany ny hetsika nataon’ny pôlisin’ny boriborintany fahavalo etsy Analamahitsy amin’ny fisamborana ireto mpanendaka ireto. Fantatra fa ny faran’ny herinandro lasa teo dia mpanendaka efatra no voasambotra. Olon-dratsy izay efa raindahiny tanteraka amin’ity asa ratsy ity. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teny amin’iny faritra Andranobevava iny no tra-tehaka ny roalahy tamin’izy ireo, izay mbola teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy. Dimy izy ireo niaraka fa tafaporitsaka ny telo. Tamin’ny famotorana ireo namany roa voasambotra anefa dia sarona ihany ny roa tamin’ireo tafatsoaka, teny amin’iny faritra Analamahitsy iny. Mbola mitohy ny fikarohana sy ny hetsika hiadiana amin’ireo mpanendaka araka izany. Omaly moa no natolotra ny Fampanoavana ireto mpanendaka raindahiny voasambotra ireto.
m.L