- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy Tsimahafotsy - Vaky trano : Moto an’ny Sefo ZAP nisy nangalatra

Ambatolampy Tsimahafotsy – Vaky trano : Moto an’ny Sefo ZAP nisy nangalatra

Tsy nisy natory tao an-trano ka very ny moto fitondran’ny sefo ZAP any Ambatolampy Tsimahafotsy miasa andavanandro. Ny asabotsy alina tokony ho tamin’ny iray ora maraina dia nisy nanapitsoka ny trano fonenany. Misy rihana ny trano ka resin-tory tao ambany ny tompon-trano, ka izao nisy nanararaotra izao. Nisy nangalatra tamin’izany ny fitaovam-piasan’ity tompon’andraiki-mpampianarana ity. Irony moto nozarain’ny fanjakana ho an’ny sefo ZAP entin’izy ireo mivezivezy manatanteraka ny asany moa ity very ity. Niantso avy hatrany ny avy ao amin’ny zandarimaria eny Merimandroso ny voatafika vantany vao tsikaritra ny fahaverezana. Nosokafana ny fanadihadiana ka nanatanteraka fanarahan-dia ireto mpitandro ny filamina entina mikaroka ity fitaovam-panjakana very ity. Tsy mbola nahita mangirana anefa izy ireo hatreto ary mbola manohy hatrany ny fikarohana. Tonga teny amin’ny Cisco Ambohidratrimo ny voatafika nanatanteraka tatitra omaly.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici