Nitombo iray indray ny tranon’ny mpanao gazety izay voaroba. Afak’omaly, raha avy nody ny toeram-piasany ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana momba ny fanondrànana harena ara-javaboahary. “Fitaovana fampiasako andavanandro avokoa no lasa : solosaina roa, camera ary clé Usb. Ankotr’izay dia nisy dosie maromaro mahakasika ny fanadihadiana izay ataoko ihany koa nentin’ireo olon-dratsy” raha araka ny fanazavan’ity vehivavy mpanao gazety izay miara-miasa akaiky amin’ny sehatra tsy miankina izay miandraikitra ny fiarovana ny harena ara-boajanahary, indrindra fa ny fanondranana an-tsokosoko izany. Ny tena atahorako, raha araka ny fanazavany hatrany, dia ny fisian’ny sarin-janako izay nentin’ireo mpandroba tao an-trano. Nionona tamin’ireo fitaovana ireo fotsiny ve ireo olon-dratsy raha mpamaky trano tsotra? Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny. Mahalasa saina ihany koa satria vao roa herinandro talohan’izao no nisy mpanao gazety iray hafa notafihana lehilahy maromaro manao saron-tava, tao an-tokantranony tetsy Nanisana. Nasaina niondrika amin’ny tany ary nambenana tamin’ny sabatra maranitra. Mitovitovy ihany koa ny entana lasa satria ny solosaina, ny finday, ny fitaovana fakàna sary samihafa ary koa clé Usb sy dosie maromaro izay mbola eo am-piketrehana ary tokony havoaka amin’ny haino aman-jery aoriana kely. Manoloana ny fitovian’ireo tranga roa dia toa sarotra ihany ny hino fa kisendrasendra ny zava-niseho. Arahina ny tohin’ny raharaha.
D.R