Ny alin’ny alarobia 11 janoary nifoha ny alakamisy 12 janoary lasa teo, dia nitranga halatra lavanilina am-potony tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambodihintsina Sambolava Mahambo faritra Analanjirofo. Efa-dahy izy ireo no nanao izany. Avy hatrany dia raikitra ny fitsaram-bahoaka, koa maty tsy tra-drano izy 2 lahy, izay mbola nahatrarana gony nisy ireo lavanilina maitso 30kg.
Olona 17 maty. Ny telo volana tato ho ato izany hoe nanomboka ny volana novambra sy desambra ny taona nivalona, ary ny volana janoary ity dia 17 ireo olona maty noho ny fitsaram-bahoaka, tao Analanjirofo, raha ny tarehimarika fantatra. Ny 9 tamin’izany dia taorian’ny fanafihana nataona jiolahy 12, tao Miarinarivo Vavatenina. Ny 4 kosa maty tao Akoba Andapabe Ampasina Maningory, taorian’ny fanafihan’izy ireo fivarotana sy fianakaviana mpivarotra vokatra fanondrana. Ny 1 avy kosa niseho tao Ampasina sy tao Anjiro Morafeno Maromitety, ary ity 2 nitranga tao Sambolava ity.
Mila ezaka be ny fanentanana ny mponina amin’izao fitsaram-bahoaka izao, hoy ny mpitandro ny filaminana, saingy mila ezaka betsaka amin’ny fandraisana ny andraikitra napetraky ny vahoaka amin’ireo tomponandraiki-panjakana amin’ny fanovana ny fomba fiasa ihany koa no hanafoana izao fitsaram-bahoaka izao hoy ny olona, satria misy tsy fifampitokisana ao matoa mitranga ireny…
Malala Didier