- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Jiolahy nitsoaka fitsaram-bahoaka, nitsoaka tao anaty efitranom-pitsarana

Toamasina : Jiolahy nitsoaka fitsaram-bahoaka, nitsoaka tao anaty efitranom-pitsarana

Ity tranga niseho teto Toamasina omaly antoandro ity, ilay tena tonga amin’ny fiteny hoe « sokona nanatona afo » aminy, satria tovolahy iray tokony ho 35 taona nangalatra môtô no nifanenjehan’ny olona teo amin’ny araben’ny fahaleovantena.

Noho ny tahotra teo aminy, amin’ny firongatry ny fitsaram-bahoaka anefa dia nitsoaka niafina sy nila vonjy tao anatin’ny efitranom-pitsarana ny tenany, ka norasim-potsiny satria betsaka ireo mpitandro ny filaminana nitondra olona hiatrika ny antontan-taratasin’adiny, io omaly talata io. Raha ny fanazavana dia nangalatra môtô teo foiben’ny tahirim-bolam-panjakana ity tovolahy ity no tsikaritry ny tompony, ka izy no nihorakoraka niantso vonjy nahatonga ity tovolahy ity ho nenjehin’ny olona izao.

Raha ny fanazavana, dia ahitana tranga fahaverezana môtô hatrany eo amin’ity tahirim-bolam-panjakana eto Toamasina ity, na efa nasiana mpiambina aza.Koa heverina araka ny fanazavana azo, fa ity tovolahy tratra ity no isany mpanao izany ka izao noraisim-potsiny izao nony farany…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici