Dahalo enina no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana, taorinan’ireo trangam-panafihana nisesisesy tany Ambatondrazaka. Ny faran’ny herinandro lasa teo mantsy, dia mpivarotra efatra no indray nisy nanafika. Taorinan’izay dia nandray fepetra avy hatrany ny manampahefana any an-toerana hampitsaharana sy hanatrarana ireo mpanao asa ratsy ireto. Nisy valiny avy hatrany ny fikarohana sy ny fanadihadiana nataon’izy ireo, satria dahalo enina no voasambotra. Izy ireo dia anisan’ireo olon-dratsy nandray anjara tamin’ilay asa fanafihana voalaza tetsy ambony. Nampiakarina fitsarana omaly maraina moa ireto dahalo ireto. Taorinan’izay dia naiditra am-ponja vonjimaika any Ambatondrazaka ihany mandra-piandry ny valim-pitsarana.
Kanto R. (Stagiaire)