- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversSoarano : Fiara iray nivadika

Soarano : Fiara iray nivadika

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy Soarano, ny alin’ny alarobia lasa teo manodidina ny misasak’alina.  Raha araka ny fanazavana voaray dia nisy fiara roa nandeha mafy avy any Soarano hidina aty ho any Analakely. Teo amin’ny fiolahana hidina ho any amin’ny gara anefa, dia nivadika ilay fiara taty afara raha tsy fantatra kosa ny mahakasika ilay fiara voalohany izay efa lasa mialoha. Vokany: olona iray no tazana fa naratra tamin’izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy raha ny fahitan’ilay nanatri-maso.  Nahitana fahapotehana ilay fiara toy ny fahavakian’ny fitaratra sy ny fihintsanan’ny “retroviseur”.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici