Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana eto an-tanan-dehibe sy any amin’ny faritra ambanivohitra. Antoka hanatrarana ny tanjona sy hamitana ireo ezaka ho an’ny filaminana ireo ny fametrahana fotodrafitrasa mifanaraka amin’izany. Toerana izay natokana hifaneraseran’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny politikan’ny ministera izay mamaly avy hatrany ny fanakaikezana ny vahoaka izany rehetra izany. Tsy diso anjara fa nahazo ny fotodrafitrasa ho azy manokana ny faritra Itaosy. Notokanana nanoloana olo-manan- kaja maro ny “commissariat de police” tany an-toerana, omaly. Ministra roa no tonga nanome voninahitra izany: ny ministry ny Filaminam-bahoaka, Controleur Général de Police Anandra Norbert sy ny ministry ny Fitsarana sady mpitana ny tombokasem-panjakana Andriamiseza Charles. Tonga teny an-toerana koa ireo olona ambony eo anivon’ny polisim-pirenena, toy ny Tale Jeneralin’ny polisim-pirenena miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Natrehan’ny loholon’i Madagasikara Randriamihaingo Berthin ihany koa ity fitokanana ity. Mitohy hatrany ny ezaka na dia eo ary ny tsy fahampian’ny polisy miasa manatanteraka ny fiarovana ny vahoaka.
Itaosy : Nahazo “Commissariat” vaovao
Articles qui pourraient vous intéresser