- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Notafihan’ny jiolahy mitam-basy ry pasitera mianakavy

Mahitsy : Notafihan’ny jiolahy mitam-basy ry pasitera mianakavy

Lasa hatramin’ny peratra mariazin’i Pasitera. Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo no nisehoan’ny fanafihana. Dimy lahy nitondra basy PA sy zava-maranitra no tonga nanafika tao amin’ilay tokantrano. Nambanana tamin’ireo fitaovam-piadiana ny iray trano ary norahonana  hovonoina avy hatrany raha manohitra na miantso vonjy. Tsy nisy sahy nihetsika izy mianakavy kely fa nanaiky ny baikon’ireo olon-dratsy. Lasa nandritra ity fanafihana ity ny vola mitentina 250.000 ariary miaraka amin’ny peratra, araka izay voalaza etsy ambony, ary koa ny finday miisa fito. Tokony ho tami’ny telo ora maraina, izany hoe tao anatin’ny torimaso tanteraka ny iray trano, no tonga tampoka ireo jiolahy mitam-piadiana. Tsy nisy ny naratra satria tsy nanao herisetra ireo jiolahy fa ireo entana sy vola ihany no nalainy, raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra  fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Inona ny anton’ilay saron-tava? Matetika mantsy dia olom-pantatra ihany no mahavanon-doza rehefa misy ny fampiasana saron-tava ao anatin’ny fanafihana. Matetika ihany koa dia olona tsy mifanalavitra amin’ilay toerana no tompon’antoka rehefa misy ny saron-tava. Ny tsara indrindra amin’ny tranga toa ireny dia ny fampiasana alika mpitsongo dia izay efa nahitam-pahombiazana sy nanome porofo tamin’ny tranga maro. Saingy mbola tsy ao anatin’ny olona loatra ny fiantsoana ny tompon’andraikitra momba izany hatreto.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici