Aorian’ny fanaovana ny taratasim-bola tsy misy antoka izay isan’ny nahazo vahana eto Toamasina tao anatin’ny krizy mandraka ity ny androany, dia mahazo vahana ihany koa ny fisolokiana sy fampiasana hosoka ataona andian’olona, ka isan’ny lasibatra amin’izany izao ny sampan-draharahan’ny hetra.
600.000 ariary. Andian’olona roa mpitaingina moto ireto mpisoloky sy mpampiasa hosoka amin’ny fisandohana ho mpiasan’ny sampandraharahan’ny hetra eto Toamasina ireto. Manana ilay marika famantarana manokana sy ireo antontan-taratasy fampiasan’ny sampan-draharahan’ny hetra izy roa lahy ireto; saingy hosoka avokoa ny voasoratra aminy, satria misy ny halatra sonian’ny talen’ny sampan-draharahan’ny hetra aminy. Misy ihany koa fitomboka tsy izy, ary misy ny famantarana nadika mitovy fa tsy tena izy. Ireo taratasy hosoka ireo no entin’izy roa lahy maka vola manodidina ny 50.000 ariary hatramin’ny 600.000 ariary; ka ireo mpivarotra madinika amin’ny alalan’ny hetra samy hafa, sy ireo mpivarotra zava-pisotro amin’ny resaka “licence” sy “catégorie” no tena lasibatra amin’izany.
Firaisana tsikombakomba? Tsy tongatonga ho azy izao fisandohana ny sampan-draharahan’ny hetra izao fa tsy maintsy misy firaisana tsikombakomba ao ambadika, hoy ny polisy ekonomika misahana ny raharaha, ka eo am-panadihadiana izany izy ireo ankehitriny, satria tratra ambodiomby ny iray tamin’izy roa lahy ireto fa tafaporitsaka kosa ny namany. Vokatr’izany dia misy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny talen’ny sampan-draharahan’ny hetra sy ny polisy ekonomika entina hamongorana izao fisolokiana sy fampiasana hosoka amin’ny fampidirana ny volam-panjakana izao. Tsy sambany mantsy ny tranga misy fa efa nisy andian’olona roa lahy ihany koa efa tratran’ny polisy misahana ny heloka be vava ny taona lasa nanao izany ary mbola miandry fitsarana am-ponja izy ireo hatramin’izao.
Ankoatra izay dia nomarihan’ny kaomisera Fety Gilbert izay misahana ny servisin’ny polisy ekonomika eto Toamasina, fa afaka mametraka fitoriana amin’izay ireo ireo tratran’ny fisandohana sy fisolokiana ara-bola sy ara-ketra samy hafa. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny fiarovana ny fampidirana ny volam-panjakana mantsy ny polisy ekonomika, hoy hatrany ny kaomisera Fety Gilbert…
Malala Didier