Ny ary tsy vita, ny etsy mikorontana. Saika nisy fihetseham-bahoaka ihany koa tany amin’iny distrikan’i Besalampy iny ny alakamisy lasa teo. Mbola resaka fitakiana olona voarohirohy ho namono nahafaty olona tamin’ny fomba feno habibiana, ary hatao fitsaram-bahoaka hatrany no fototra eto. Nisy avy hatrany anefa ny fanelanelanana sy fifampiresahana nataon’ireo mpitandro filaminana nitazona ity olona ity ary mba nanaiky nilefitra ireo fokonolona maro. Raha ny zava-nitranga, tovolahy iray no nosamborina rehefa nolazain’ireo mponina fa nahavita nitetitetika olona roa tamin’ny antsy. Tsy fantatra mazava izay nahazo ity farany fa iny izy nokaramain’ny olona roa, lehilahy sy vehivavy, hitondra sarety iny no nivadika tampoka teny an-dalana. Notrobarany avy hatrany tamin’ny antsy ilay lehilahy tompon’ilay sarety, ary avy eo norasarasainy, sy tsy navelany raha tsy namoy ny ainy. Niantefa teny amin’ilay vehivavy indray izy nony avy eo, ary lasa nitsoaka niaraka tamin’ireo entana sy ny vola an-tapitrisany ity tovolahy ity. Naratra mafy fa tsy maty anefa ilay vehivavy ka io no nampilaza tamin’ny fokonolona ny nanjo azy. Natao avy hatrany ny fisamborana ka tratra ilay tovolahy, ary nentina tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana. Nirohotra avy hatrany ny olona raha vao nahare izany, mba hitaky ity farany hatao fitsaram-bahoaka. Kanefa dia io nilamina io ihany nony avy eo, eny fa na ireo havan’ny maty aza. Fantatra fa hatolotra ny fitsaràna tsy ho ela ity tovolahy ity.
m.L