- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Mpiandry fonja nitifitra nahafaty ny vadiny, nitifi-tena koa izy avy...

Betafo : Mpiandry fonja nitifitra nahafaty ny vadiny, nitifi-tena koa izy avy teo

Tranga nampalahelo no niseho tao Betafo, ny faran’ny herinandro teo iny, mpiandry fonja iray no nitifitra ka nahafaty ny vadiny, nitifi-tena koa izy avy teo. Maty tsy tra-drano avokoa izy mivady, soa aloha fa tsy niantefan’ny bala ny zaza, fa avotra soamantsara avokoa. Araka ny angom-baovao, nambaran’ny manodidina fa, efa miady sy mifamaly lava izy mivady ireo ary matetika no higagan’ny olona manodidina mihitsy. Misy fotoana ilay ramatoa no mitsoaka any am-balan-kisoan’olona fa matahotra ilay vadiny. Voalaza mantsy fa matetika no mamo ity raim-pianakaviana ity ary mahery fihetsika. Araka ny fantatra hatrany, efa nifamaly izy mivady ny antoandron’ny zoma, tsy nody anefa raha tsy efa tamin’ny roa ora maraina ilay rangahy. Ramatoa kosa efa nikarakara ny entan-keliny nikasa ny hisintaka, tsy navelan’ilay rangahy hivoaka ny trano ilay ramatoa vadiny, hany heriny nanakana ity andefimandriny, ny basy teny aminy no navoakany.  Notifiriny teo amin’ny feny ny vadiny, nijininika ny rà, vokatry ny fahaverezan-drà beloatra  tsy tana intsony ny ain’ilay renim-pianakavina. Rehefa hitan’ity rangahy, fa tsy nisy aina intsony ny vadiny, natodiny teo amin’ny fony basy, ary nitifi-tena koa izy avy teo. Fantatra fa vao tera-bao roa volana monja ilay ramatoa raha toa ka 2 taona monja ny zokiny. Efa nokarakarain’ny fianakaviana ny razana ary nalevina omaly Alahady ihany.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici