Fiara roa tsara tarehy, samy 4×4 no nifandona teo amin’ny tetezan’ny by-pass, nandritry ny zoma nahafinaritra. Tapaka hatramin’ny lalana. tokony ho tamin’ny sivy ora alina teo no nitranga ny loza. Vetivety dia feno zandary ny lalana, nandrindra ny fifamoivoizana sy nijery ny zava-nisy. Samy olona misy atao ny roa tonta ary samy niantso ny olom-pantany, raha ny feo re teny an-toerana
D.R