Pôlisy kôminaly iray, nitondra fiara nandeha mafy no nahafaoka olona teny an-dalana, ny zoma alina teo, teny Mamory, ao amin’ny fokontany Antoby, Talatamaty. Maty tsy tra-drano ity mpandeha tongotra ity, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina teo no niseho ny loza raha ny vaovao hatrany. Nandeha mafy dia mafy tokoa ity fiara kely iray mitondra ny marika « volvo » izay nentin’ity mpitandro filaminana ity. Ary fantatra ihany koa fa fananan’ny kaominina Ivato. Tampoka teo anefa no tsy voatanan’ny mpamily intsony ny familiana, izay noho ny antony tsy fantatra, koa dia niseho ny loza teo amin’ny PK 03+200. Mam , sa noho ny antony ara-teknika ? Niantefa avy hatrany teny amina mpandeha tongotra nanaraka sisin-dalana an-kavanana ilay fiara. Noho izay fandehanany mafy izay, dia mafy ihany koa ny fifandonana. Nipitika lavitra dia lavitra tokoa ilay tovolahy 29 taona voadona, ary niankarapoka tamin’ny arabe nony avy teo. Nandriaka ny rà. Maty tsy tra-drano ity olona ity. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana miandraikitra iny faritra iny, taoriana kelin’ny nisehoan’ny loza, nanao ny fitsirihana. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’izy ireo sy notazonina tao ilay mpamily nahavanon-doza, mba hatao fanadihadiana. Nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny Hjra Ampefiloha kosa ny razana. Nampitangorona ny olona tokoa ity tranga teny an-toerana ity, raha ny fantatra. Ireto farany, izay efa toa maimbomaimbo rà ny amin’ny afitsoky ny sasantsany amin’ireny mpitandro filaminana miasa amin’ny kaominina ireny. Eny fa na dia ny any amin’ny toerana hafa aza no manao ny ataony sy manampatra ny fahefana eo an-tànan’izy ireo.
m.L