Lehilahy iray 43 taona no tonga notsaboina tao amin’ny hopitaly iray teto an-drenivohitra. Miasa amin’ny kariera any Ambohimasimbola izy io ary teo am-panatontosana ny asany andavan’andro no nitranga ny fipohana. Nifatratra tany amin’ny tarehiny ny vato. Simba tanteraka ny masony roa ary potipotika ny tarehiny. Omaly tokony ho tamin’ny mitataovovonana no nitrangan’ny loza ary natao faran’izay haingana ny fitondràna azy teto an-drenivohitra. Avotra ihany ny ainy, saingy ahiana mafy ny tsy hahitan’ny masony intsony. Dynamita, baomba ary fitaovana mitera-doza no ampiasaina amin’ireny toeram-pitrandrahana vato ireny. Ny zava-misy anefa dia tsy mba misy fitaovana manaraka ny tokony ho izy amin’izany ampiasain’ireo olona mpaka vato. Vokany dia betsaka no matimaty foana, ny lasa sembana tsy fidiny. Tsy vitan’izany fa ny ankamaroan’ireo olona dia tsy mba manana fiahiana ara-tsosialy na koa misoratra amin’ny trano fiantohana. Dikan’izany, rehefa mitranga ny loza dia izy ireo ihany, miampy an’izay fanampiana kely omen’ny tompon’ny kariera, no miantoka izay lany. Matimaty foana izay maty ary izay manana fahasembana vokatr’izany asa izany dia miantoka irery ny tenany…
D.R