Nirehitra ny trano vokatry ny fampiasana labozia. Tao anatin’ny fahatapahan-jiro no nisafidy nampiasa izany ireo tovolahy maromaro niambina tao anaty toeram-pivarotana ambongadiny. Nisy fanadinoana angamba ary izany dia niteraka firehetan’ilay toerana. Nahazo kodiarana napetraka tao amin’ilay toeram-pivarotana ny afo ary vetivety foana dia nahazo vahana. Tsy voatàna intsony ary niteraka ny fahamaizan’ny vatan’ireo olona. Nifamonjena ireo olona ary nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana, nampiakarina teto an-drenivohitra. Teo ihany ny fahavoazana ara-batana saingy ny tena olana dia sempotra be avokoa ireo olona vokatry ny fahafenoan’ny setroka tao anaty tratran’izy ireo. Teny Ambohipanja, Ankadikely-Ilafy no nitrangan’ny loza ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina teo no nanomboka ny afo ary tamin’ny efatra maraina no tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo naratra. Mitera-doza ny fampiasana labozia saingy tsy nampiasa labozia kosa anefa ireo olona raha toa ka tsy nisy ny fahatapahan-jiro.
D.R