- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMantasoa : Tra-tehaka ireo roalahy saika hamaky fasana

Mantasoa : Tra-tehaka ireo roalahy saika hamaky fasana

Vaky fasana saika hotanterahina ny 25 janoary ho avy izao no voasakan’ny zandariamariam-pirenena. Voasambotra ny zoma lasa teo ny tovolahy iray rehefa nahazo vaovao avy amin’ny tsara sitrapo izy ireo  fa misy olona manomana vaky fasana any Mantasoa. Rehefa henon’ity voatonona ho mpamaky fasana ny fiavian’ny mpitandron’ny filaminana dia nitsaoka izy. Tsy lasa lavitra akory anefa dia tra-tehaka. Niroso avy hatrany  tamin’ny fisamborana ny manam-pahefana teny an-toerana taorinan’izay. Nanatanteraka fisavana ny tranony ihany koa ny zandary ka  gony roa  miampy angady no sarona tao. Ireo no fitaovana nomaniny hanatanterahana ity fikasan-dratsy ity.  Ny fakana ambavany ity mpanao ratsy ity no nahafantarana fa mbola misy namany iray hafa any ambadika. Natao ny fikarohana ka tratra ity voalaza, izay tsy iza fa tompon’ilay fasana hovakian’izy ireo ihany. Izy io dia nilaza fa mahita mpividy taolam-paty ka izay no naharisika azy amin’izao asa ratsy izao.  Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahalalana fa vao nivoaka ny fonjan’ny Tsiafahy ity farany izao mikasa hanao asa ratsy vaovao izao indray. Niaiky ny fiampangana azy moa izy roalahy ary miandry ny fitsarana azy. Ankoatran’ny vaky trano dia anisan’ny re matetika ihany koa ny vaky fasana. Tsy mbola tsy fantatra mazava anefa ny ampiasaina ireny taolam-paty ireny. Miandry sy manantena ny fandraisan’andraikitry ny rehetra ny zandary amin’ny fampitana ny vaovao mba hisorohana ny asa ratsy toy ity saika nitranga ity.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici