Nifititra indray ny dahalo, raim-pianakaviana no niantefan’ny bala teo amin’ny hatony. Tsy mandry fahalemana mihitsy raha ny ao amin’ny distrikan’ny Mandoto ao, saika ho isan’andro mantsy ny fandresana fanafihan-dahalo ao amin’ireo kaominina mandrafitra ity distrika ity. Isan’ny tranga vao haingana ny fanafihana niseho tao amin’ny fokontany Tatanolava ao Ankazomiriotra ny Alahady alina lasa teo . Dahalo tsy latsaky ny 6 no nanao ny fanafihana ary mirongo fitaovam-piadiana ry zalahy hoy ny niharam-boina nitantara. Tokantrano iray manana omby 11 no lasibatra tamin’izany. Niparitaka anefa ny omby rehefa tafavoakan’ireo dahalo ka tsy hitan’ireo dahalo izay hanaovana azy. Ny fokononolona amin’io efa niandry tamina kizo ihany koa mba hanavotana ireo omby. Nitifitra ny dahalo rehefa nahatsikaritra izany, lehilahy iray no nientefan’ny bala teo amin’ny hatony, nambaran’ny havany fa ilay fitifirana faharoa no nahavoa ny havany. Teo amin’ny hatony moa no niantefan’io bala io, soa aloha fa avotra soaman-tsara ihany ny ain’ity raim-pianakaviana ity ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Andranomadio izy amin’izao. Ny mpanara-dia tamin’izany niezaka nanaraka ny dian’ireo dahalo hatrany. Rifatra nandositra ireto farany ka latsaka teny am-pandehanany ny moara sy fanafody gasy samihafa. Tafaverina tamin’ny tompony kosa ny omby miisa 11. Fanafihana in’efatra izao ity tao Tatanolava ity hatrami’ny niandohan’ny taona vaovao.
Andry N.