- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mitohy ny halatra lavanila manta

Sambava : Mitohy ny halatra lavanila manta

Lavanila maintso mbola tsy tokony hotazana no efa misy sahy mangalatra any sambava ankehitriny. Lavanila  milanja 345 kg no saika very tao amin’ny kaominina Nosiarina- Sambava ny faran’ny herinandro  lasa teo. Nandeha ny feo nanerana tanàna fa misy fiara iray mampiahiahy mivezivezy mitatitra lavanila. Nisy nahatsikaritra izany ka raikitra avy hatrany ny fanenjehana ny alin’ny sabotsy. Rehefa tsy nahitam-bokany izany dia nifampitaona ny fokonolona miaraka amina andian-tanora teo an-tanàna ka nametraka vela-pandrika. Nendrasan’izy ireo teny an-tanimboly, toerana nahitana an’ilay fiara farany, ireto mpangalatra tamin’izany. Niverina teo tokoa ilay fiara saika hitatitra ireo lavanila manta tavela teo vao avy nalaina. Vao nahita ireo olona efa niandry teo anefa izy ireo dia niverin-dàlana avy hatrany ka  lasa nirifatra nitsaoka. Tsy nijery fotsiny ny tompon’ny lavanila sy ireo niara-dia taminy fa nanenjika tamin’ny moto. Vokany, lehilahy iray tamin’ireo telo tao anaty fiara no voasambotra. Natolotra avy hatrany ny zandary any an-toerana moa ity tratra ity atao famotorana. Tsy mahandry ny fotoam-pitsarana ny mponina teto fa mitaky ny handroahana ity lehilahy ity. Angatahan’izy ireo koa ny hamotehana ampahibemaso an’ireo lavanila manta halatra tra-tehaka ireto. Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa mpandraharaha amin’ny lavanila sy tovolahy avy eo an-tanàna ihany sy ny mpamily ireo olona telo tao anatin’ny fiara ka voarohirohy tamin’ity halatra ity.  

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici