Raha azo lazaina fa nilamina ary voasoroka ny rà nandriaka, raha nikasa hanao fitsaram-bahoaka ireo mponina tany Vangaindrano, tsy izany kosa no niseho tany Manakara sy Besalampy. Ny alatsinainy lasa teo, olona efatra be izao no namoy ny ainy rehefa niharan’ny hatezeram-bahoaka. Somary nahery vaika kokoa ny hetsik’ireo mponina tao Besalampy, satria ambonin’ireo olona roa novonoina ho faty dia lasibatra ihany koa ny kaomisarian’ny pôlisy tany an-toerana, izay simba sy potika tanteraka. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia fokonolona an’arivony any ho any no tonga nitangorona teo anoloan’ny biraon’ny pôlisy, ny alatsinainy tolakandro.
Nikomy. Efa nisy ihany ny fifampiresahana nataon’ireo tomponandraikim-panjakana tany an-toerana sy ny ireo fokonolona tany aloha tany. Efa nanaiky ny hilamina izy ireo, rehefa nazavaina taminy ny tsy fihetezan’ny fihetsika kasain’izy ireo hatao, eo anatrehan’ny lalàna. Saingy tao tamin’io andro io dia nisy ireo andian’olona ireo nikomy sy nilaza fa tsy maintsy tanterahana amin’ity tovolahy voalaza ho nahavita heloka bevava ity ny « dina » iraisan’ireo fokontany maro any an-toerana. Ary dia nirohotra nanafika ny kaomisaria nitazomana ity farany ireo fokonolona. Vokany, potika ilay biraon’ny pôlisy ary tsy namelan’izy ireo raha tsy maty ilay olona notakian’izy ireo. Nisy olona iray hafa ihany koa, voatazona tao, niharan’izany hatezeram-bahoaka ka namoy ny ainy. Hatreto raha ny fantatra dia efa milamina ny any an-toerana taorian’izay.
Tsy mitsitsy. Eo anatrehan’ny halatra lavanila mirongatra tato ho ato dia tsy mitsitsy ihany koa ireo fokonolona. Olona roa voalaza fa tratra nangalatra lavanila tany Antamponanjeva any amin’iny disitrika Manakara iny no namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nataon’ireo fokonolona taminy, ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia teo am-pangalarana izy ireo no tratran’ny fokonolona. Efa saika handeha haterina any amin’ny mpitandro filaminana no nivadika tampoka ireo nahatratra. Ren’izy ireo siosio mantsy fa olona migadra ao amin’ny Fonjan’i Manakara ireto olon-dratsy ireto, kanefa dia afaka mivoaka soa aman-tsara manao ny asa ratsiny. Tezitra tamin’izany ireo andian’olona ka dia notamperen’izy ireo ny ain’ireo roalahy ireo, tamin’ny alalan’ny vono sy ny daroka. Nidina tany an-toerana avy hatrany moa ireo zandary avy ao Ampasimanjeva rehefa nahare ity raharaha ity ary nanokatra ny fanadihadiana.
m.L