Nisehoana hain-trano mahatsiravina teny amin’iny faritra Ambohibao iny, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fantatra teny an-toerana dia orinasa iray mpanao plastika ity nirehitra ity. Tsy nisy ny aina nafoy, na izany aza anefa dia saika potika tanteraka ilay trano ary tombanana ho amina miliara ny teti-bidin’ireo zavatra may. Filazan’ireo teny an-toerana dia niainga avy tao amina efi-trano fitobiana tahirin’asidra no niandohan’ny afo, izay mbola tsy fantatra hateto ny antony. Nipoaka noho izany ireto akora simika ireto ka vao mainka nampiitatra ny afo, izay saika nandevona ilay trano manontolo. Ora maromaro vao voafehy tanteraka ny afo raha ny vaovao. Tetsy andanin’izay ihany koa anefa dia, nambaran’ireo mponina fa niparitaka eran’iny faritra rehetra eny an-toerana, ny entona misy poizina vokatry ny fahamaizan’ireo akora simika ireo. Noho izay zavatra izay dia voalazan’izy ireo fa nisy zaza iray voatery nampidirina hôpitaly noho ny fahasemporana vokatr’izay.
m.L