Sambokely haingam-pandeha iray antsoina hoe « Force Two » no rendrika teo Ankiririka, Katsepy ny zoma vao mangiran-dratsy teo. Olona sivy no nentin’ity vedety ity araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary ka ny telo amin’izany dia vazaha mpizahan-tany avokoa. Vokany terantany frantsay iray no namoy ny ainy, raha naratra saingy avotra soa aman-tsara avokoa ireo sisa ambiny. Tokony ho amin’ny efatra ora sy 20 minitra teo no nitranga ny loza. Ary raha iny ity sambokely ity niala an’i Katsepy hihazo ny renivohitr’i Boina iny no tojo andro ratsy tampoka. Ny tafio-drivotra teny am-povoan-dranomasina teny mantsy no nampivilavila ilay sambokely ka nahadobo azy tanteraka nony avy eo, araka ny tati-baovao hatrany. Nalefa avy hatrany ny antso vonjy. Nahery anefa ny rano tamin’io fotoana io ka ny valo ihany koa avotra soa aman-tsara. Namoy ny ainy rehefa natelin’ny ranomasina kosa ilay mpizahantany frantsay 68 taona. Efa ny vatana mangatsiakany sisa no natsingevan’ny rano, tonga teny amin’ny morona. Samy tonga tany an-toerana avokoa moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, zandary roa, manampahefana ary mpitsabo, raha vao nahare ny fisian’ny loza, tamin’ny alalan’ny fampandrenesana nataon’ny mpiambina tao Ankiririka.
m.L