Matin’ny fokonolona ny zoma lasa teo Rebaly, lehiben-dahalo nampitondra faisana kaominina maro tany amin’ny distrikan’i Sakaraha. Avy nanafika tao Amboronabo ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana notarihan-dRebaly no nifanehatra tamin’ny fokonolona mpanara-dia ka raikitra ny fifadonana, ka teo no nahalavo an’ity dahalo raindahiny ikoizana amin’ny halatr’omby sy vono olona arahina fanolanana ity. Leom-boan’anana amin’ny fandrobana mahazo laka saika isan’andro amin’ny fananany sy famonoana ary fandratrana olona tsy manan-tsiny amin’ny firongatry ny asan-dahalo ny mponina. Manao vy very ny ainy ny fokonolona miaro ny fananany. Niray hina ny fokonolona, ary sahy nanao vy very ny ainy nifanehatra tamin’ireto malaso fahavalom-bahoaka mirongo basy sy ody gasy mahery. Raha ny tati-baovao dia naman’ireo dahalo miisa 12 maty voatifitra tao amin’ny ala kizon’ny Besomatsy, ny 3 febroary teo i Rebaly, ary anisan’ny tompon’antoka tamin’ny famonoana zandary sy zandrina ben’ny tanàna rehefa avy nandroba ny ombin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitry Andranolava miisa 100. Raha ny fantatra dia fianakavian’ i Rebaly iray manontolo mihitsy no mivondrona ho ekipa iray amin’ny fangalaran’omby amina distrika maromaro any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hoy hatrany ny vaovao voaray.
Eric Manitrisa