- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFandriana : Telo mianaka no maty nilatsaham-potaka

Fandriana : Telo mianaka no maty nilatsaham-potaka

Vokatrin’ny orana nikija ny alakamisy  10 febroary lasa teo, tao amin’ny kaominin’I Alakamisy-Ambohijato, distrikan’i Fandriana, dia nisy trangan-javatra mampalahelo. Ramatoa iray, mpampianatra ao amin’ny EPP Vohimanira sy ny zanany vavy roa 16 taona sy 18 taona no maty nilatsahan’ny varatra. Tonga nitsapa ny alahelo sy nankahery ny fianakaviana tany an-toerana, ny lehiben’ny sampandraharam-paritra ny fampianarana eto Amoron’I Mania sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny fandevenana, dia nataon’ny sabotsy lasa teo ihany.

Andrefana sy atsinanana. Marihina fa efa mahatra  20 mahery izao ireo olona nilatsaham-baratra teto amin’ny faritra Amoron’i Mania, hatramin’ny fanombohana ny fahavaratra, ka ny mponina amin’ ilany andrefana sy atsinanan’iny faritra iny no tena lasibatra matetika  amin’izany, toy ny tao Mangataboahangy, distrikan’ Ambatofinandrahana tamin’ny sekolin-dry masera izay nahafatesana mpianatra maromaro.

Ambohibary-Iajaka. Ny alakamisy io ihany, saingy tao Ambohibary- Iajaky-Ambositra, dia olona 60 no lasa traboina tsy fidiny, vokatrin’ny fianjerana ny trano fiangonana “Jesosy Mamonjy tao amin ‘ireo trano 12 manodidina akaiky. Soa ihany, fa tsy nisy ny aina nafohy, fa ny fahasimbana no betsaka.  Eo anolohan’izao toe-javatra izao, dia efa nisy ny fepetra noraisin’ny kaominina sy ny fiangonana “Jesosy Mamonjy” ho famonjena ireo traboina, toy ny fanomezana fanampiana  sy trano fialofana vonjimaika. Andrasana arak’izany ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana,toy ny BNGRC.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici