- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Ampasimbe : Telo mianadahy mpibizna taolam-paty

Kaominina Ampasimbe : Telo mianadahy mpibizna taolam-paty

Taolan-dava 121 isa no sarona niaraka tamin’izy ireo.

Efa nanomboka ny volana septambra sy ny volana oktobra ny taona nivalona iny no tena nirongatra ny vaky fasana tao amin’ny kaominina Ampasimbe izay kaominina mamarana ny faritra atsinanana amin’ny lalam-pirenea faha-02. Ny tao amin’ny fokontany Seranandrano sy Ambodimanga Bemavony no tena nahitana izany, taorian’ny fitorian’ireo fianakaviana tratra nanomboka ny fanadiadian’ny zandary. Ny talata lasa teo dia nahomby ny fikarohan’ny zandary tamin’ny fahatrarana ity vehivavy mpanera iray antsoina hoe Viviane avy ao Ampasimbe Tampon-tanana, teo am-pitadiavana ity mpividy ireto taolam-paty voalaza fa avy ao Antananarivo. Izy indray avy eo no nanoro ireo ny namany roa dia Fanomezantsoa avy ao Ampasimbe tampon-tanana izay anadahin’i Viviane ihany sy Lezoma avy ao Ambodimanga Benavony; ity farany izay sahy nangalatra ny taolam-patin’ny razam-beny nokasaina hamidy izao. Samy niaiky ny heloka vitany avokoa izy telo mianadahy ireto, saingy tsy nanoro kosa ireo mpividy ny taolana ao Antananarivo sy ny mety ho vidin’ny taolan-dava iray. Niisa 121 ireto taolan-dava tratra tao anatin’ny gony roa izay nafenin’izy ireo tany anaty ala nandritra ny fisamborana nataon’ny zandary izao. Taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana omaly tolakandro dia miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy avokoa izy telo mianadahy ireto, ka ingahy Lezoma sy Fanomezantsoa voalaza fa mpamaky fasana raha mpiray tsikombakomba kosa i Viviane. Hatolotra ny kaominin’Ampasimbe ireto taolam-paty ireto raha tsy misy ireo fianakaviana milaza ho tompony…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici