Roalahy izy ireo no saika hody eny Manakambahiny. Ny alin’ny alatsinainy tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany, raha vao niala kely tamin’ny fiarakaretsaka izay nanatitra azy, dia nifanehitra tamin’ny mpanendaka roa lahy nitondra antsy maranitra. Efa nanaiky ny nanome tsy nisy fanoherana, izay nisy teny aminy izy ireo, saingy mbola tsindron’antsy ihany no valin’izany. Maty tsy tra-drano ny iray tamin’izy roa lahy, ireo mpanendaka kosa nitsoaka.
Kanto R. (Stagiaire)