- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpisandoka ho mpitsara, pôlisy ary zandary voasambotra

Toamasina : Mpisandoka ho mpitsara, pôlisy ary zandary voasambotra

Taoriana ny fahatrarana ireo mpisoloky ho mpiasan’ny sampan-draharaha ny hetra, izay sahy miandoka mihintsy ny talem-paritry ny hetra sy ireo inspektera ny hetra eto Toamasina renivohitra, izay efa miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy dia lehilahy iray antsoina hoe François 37 taona indray no saron’ny polisy noho ny fitoriana sy fitarainana maro nataon’ny olona tratrany momba azy.

Ny fanazavan’ny polisy izay misahana ny raharaha fisolokiana ataon’ity lehilahy ity no nahalalana, fa biraom-panjakana rehetra ahitany olona mila raharaha ka manana olana dia idirany avokoa ; isan’izany ny fitsarana, ny biraon’ny fanavaozana ny taratasy fahazoana mamily fiara, ny kaomisarian’ny polisy sy ny tobin’ny zandarimariam-pirenena, ary ireo be antitra maka vola eo anivon’ny tahirim-bolam-panjakana. Hakany vola be ireo olona manana olana rehetra anaty biraom-panjakana ireo, ny tena lasibatra amin’izany ireo avy any ambanivolo sy ireo olona tsy mahalala ireo biraom-panjakana hidirany amin’ny filan-draharaha hataony. Am-bodiomby teo am-pisolokiana olona noho ny vela-pandriky ny mpitandro ny filaminana no nahatrarana azy izao, izay tsy afa-nanda intsony ny tenany vantany vao tratra.

Efa ho am-polony tamin’ireo olona tratrany no nitory ity lehilahy mpisoloky ity, teny anivon’ny polisy. Ny talata no niakatra fitsarana ingahy Francois; izay avy hatrany dia nahazo famonjana vonjimaika alohan’ny fitsarana. Raha ny angom-baovao aza, dia nisy ny fangatahana famoahana azy am-ponja anio alarobia hiatrika fakana am-bavany azy noho ny fitorian’olona azy indray voarain’ny polisy…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici