- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversKarieran’Ankaraoka : Mpitandro ny filaminana 24 avy eto Tanà, nalefa any...

Karieran’Ankaraoka : Mpitandro ny filaminana 24 avy eto Tanà, nalefa any omaly

Ny folakandro izy ireo no niainga teto Andrenivohitra. Tsy nandeha fiara akory fa ireny « taxi-moto » ireny no nofaina mba hidinana any an-toerana, asa izay mety ho antony. Mitondra basy ary mitondra saron-tava ihany koa. Rehefa nohamarinina tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana, dia fantatra fa hanatrika ny fampiharana didim-pitsarana no anton-dian’ireo olona ireo. Izany hoe hanampy ny vadintany amin’ny fanatontosany izay mety ho didy navoakan’ny fitsarana. Raha ny tsilian-tsofina re sy ny fahazoana ny raharaha, dia nisy didy hafa ihany koa nivoaka ary izany dia manome alàlana ny an-kilany, izany hoe tsy ireo olona izay nitondra zandary farany teo (janoary 2017) ka nanala ireo mpitrandraka, fa ilay mpifanandrina aminy kosa ao anatin’ilay ady tany. Efa nisy ny rà latsaka ary aina nafoy tamin’ny fiadiana io karieran’Ankaraoka-Anjozorobe io. Ankoatra ny tamin’ny volana martsa tamin’ny taon-dasa, dia mbola nisy maty ihany koa tamin’ny janoary lasa teo. Ny tsikaritra dia misy hatrany ny ramatahora avy amin’ny fitondrana mpitandro ny filaminana mitam-basy. Novoizina tamin’ny haino aman-jery hatrany, ny fisian’ny zanaky ny filoham-pirenena izay ao ambadiky ny raharaha. Nisy fotoana aza dia nivoaka tamin’ny fahanginany mihitsy io tompon’andraikitra voalohan’ny fanjakana io ary niaro ny zanany tamin’ny filazana fa, tsy nidina tany velively. Ny olona izay nilaza ho tompon’ny kariera indray dia nanizingizina ny mifanohitra amin’izany ary « masoandro » no hiantsoany io zanaky ny Filoha io. Mifandimby midina ny vadintany sy ny mpitandro ny filaminana any Ankaraoka ary efa ho lasa isam-bolana izany. Inona indray no hitranga anio ? Ahoana ny fisian’ny didim-pitsarana marobe momba ny ady tany iray ?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici