- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha andramena - Cap Masoala : Hiatrika fanadihadiana lalina eto Tana ireo...

Raharaha andramena – Cap Masoala : Hiatrika fanadihadiana lalina eto Tana ireo olona 12 voasambotra

« Anjaran’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala ary ny haivoaary ny misahana ny fanagiazana ireto andramena tratra tao Masoala ireto. Mila fiarovana tsara izy ireo satria andramena efa voaisa sy efa nogiazana noho zava-nisy teo aloha ireto mbola nisy nanao trafika ireto… », hoy ny praiminisitra Solonandrasana Olivier Mahafaly ny zoma teo ambonin’ny sambo « Lumina » nahatrarana azy.

Nandray ny andraikiny tokoa ny minisiteran’ny tontolo iainana Rtoa Ndahimananjara Johannita Benedicte ka namindra ireto andramena tratra tao Masoala ireto, ho eo anivon’ny talem-paritry ny tontolo iainana atsinanana ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fanisana azy tanteraka ka nanaovana ny fitantanana an-tsoratra izany ara-dàlana izay lasa 341 ny isan’ireto bolabolan’andramena ireto. Hatreto aloha dia ny fanagiazana ireto andramena no misy, fa tsy mbola nomen’ny komity manokana eo anivon’ny governemanta kosa ny hanaovana azy na hamoahana tolo-bidy ka hamidy amin’ireo mpanao asa tanana malagasy, izay mijaly amin’ny fitadiavana hazo sarobidy amin’ny asa fihariany.

Nafindra lasy. Raha hambenana mafy eo anivon’ny seranan-tsambo ny sambo « Lumina », dia nentina ao Antananarivo ny faran’ny herinandro teo kosa ireo olona 12 hany mbola voasambotra amin’izao raharaha izao, hiatrika ny fanadiadiana lalina azy ireo sy hanamorana raha ny vaovao ny fisamborana ireo olona maromaro mbola ho samborina mifaningotra amin’izao raharaha izao, izay misy ny mpandraharaha, misy ny mpiasam-panjakana, ary misy olon-tsotra. Ny angom-baovao hafa ihany koa no nahafantarana fa noho ny fisian’ity fanambazana vola be amina miliara ataon’ny ramatoa « Y. » tompon’ny sambo hampanginana ny raharaha, no nandrasain’ny fanjakana izao fepetra izao.

Ankoatra izay, tsy ity sambo « Lumina » ity ihany no giazana eo anivon’ny seranan-tsambo noho ity resaka trafika na andramena ity, fa mbola tsy afa-mihetsika eo amin’ny « mole A » hanagiazana azy efa ho roa taona izao ny sambo sinoa « Min Tai Leng » izay mbola tratra tao « Cap Masoala » ihany tamin’izay, ny azy ity kosa dia fikasana haka andramena no nanejehana azy roa taona lasa.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici