- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Sokatra tao anaty gony saron’ny pôlisy

Toliara : Sokatra tao anaty gony saron’ny pôlisy

Sokatra miisa 17 (10 lehibe, 7 kely) izay nafatratra tao anaty gony no tra-tehaky ny polisy, tao Ambohitrabo Toliara, ny asabotsy naraina teo, tokony ho tamin’ny fito ora. Raha vao nahatazana ny fiaran’ny mpitandro filaminana manao fisafoana ireo telolahy nitondra an’ireto sokatra, dia nitsoaka avy hatrany ary natsipin’izy ireo tany anaty bozaka ireo gony misy sokatra. Nahita izany ireto polisy dia nanenjika ireo nandositra, fa ny sasany tamin’ireo polisy kosa nijery ilay gony. Nihevitra ireto mpitandro filaminana fa taolam-paty no tao, saingy rehefa notsapaina dia gaga izy ireo fa dia zavatra boribory no tao anatin’ireo gony, ary fantatra avy hatrany fa sokatra. Nentina tany amin’ny biraon’ny polisy ireo sokatra sarona, ary omaly naraina no natolotra ny sampan-draharaham-paritry ny Rano sy ny Ala Atsimo Andrefana. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana, dia mitohy hatrany ny fikarohana an’ireo telolahy nitsoaka mbola tsy hita popoka hatramin’izao ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici