- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversLozam-piarakodia Anjozorobe : Napetraka ny tsangambato fahatsiarovana

Lozam-piarakodia Anjozorobe : Napetraka ny tsangambato fahatsiarovana

Nahatsiaro manokana ireo ain’olona 47 nafoy tamin’ilay lozam-piarakodia nahatsiravina tany Anjozorobe ny faritra Analamanga omaly tamin’ny alalan’ny fametrahana tsangambato. Napetraka izany mba hitondra tadidy sy tsy hanadinoana ireo namoy ny ainy sy ireo nitondra takaitra ary ireo roa mbola tavela any amin’ny hopitaly  hoy ny minisitry ny fitaterana sy ny famatarana ny toertr’andro  tamin’ny lahateny fohy izay nataony. Mbola tsy afaka ao an-tsain’ny mponina any an-toerana ny loza nahafatesana olona marobe ity.  Mpandeha 24 moa no velon’aina soamantsara tamin’ity loza nitranga ny asabotsy 28 janoary lasa teo, ny roa izay mbola tavela any amin’ny hopitaly noho ny fahatapahan’ny tanan’izy ireo ka mila ny fanaraha-maso manokan’ny mpitsabo.  Nitondra takaitra ara-batana sy ara-tsaina ireo avotra soamantsara tamin’izany, nisy ny nihitsana nify sy vaky vava, ao koa ireo mizaitra  loha. Rangahy iray anisan’ireo mbola velona no nilaza fa tsy mbola afaka mampiasa herim-batana mihitsy hatreto noho ny tratrany sy ny lohany samy voa mafy. Ity fitokanana tsangambato ity moa dia nialohavana fiombonam-bavaka niraisam-pinoana nentina hanomezana hery ny fianakavian’ireo niaram-boina sy hanairana ny sain’ny rehetra mba ho samy tompon’andraikitra. Ny faritra Analamanga moa no nandray an-tanana ireo rehetra niharam-boina tamin’ny fanampiana sy fitsaboana teny amin’ny hopitaly, ary tamin’ny fijerena ireo fianakaviana tavela. Manana adidy samy hanaja ny fepetran’ny fifamoivoizana ny isam-batan’olona hoy Ravomanana Vincent, sekretera jeneraly faritra Analamanga. Tonga nanatrika ity  fitokanana tany an-toerana moa ny minisitry ny rano, fanadiovana sy fidiovana sy ny minisitry ny fahasalam-bahoaka ary ny minisitry ny fitaterana sy famatarana ny toetr’andro niaraka tamina solombavam-bahoaka sy loholona maro ary olom-panjakana maro teny an-toerana.

Kanto R. (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici