#-Anosizato. Epp voaroba, lasa ny vilany. Sekoly fanabeazana fototra iray teny amin’iny Anosizato Andrefana iny no nisy nandroba ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Araka ny fanazavana nomen’ny zandary, avy tamin’ny fitairanana azon’izy ireo dia lakozia io nisy namaky io ka ny vilany be fandrahona ny sakafon’ny mpianatra no nobatain’ireo olon-dratsy. Efa manao ny fanadihadiany moa ireo mpitandro filaminana.
Nangonin’i m.L