- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Mpamosavy tra-maraina tao am-piangonana

Ihosy : Mpamosavy tra-maraina tao am-piangonana

Vehivavy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no tra-tehaky ny mpiangona hivavaka vao maraina niboridana tanteraka nijoro teo ampovoan-trano, ny 14 febroary lasa teo, izay andro fankalazana ny fetin’ny mpifakatia, tamina fiangonana iray tany Ihosy. Gaga sy nikoropaka ireo mpiangona hiditra ity fiangonana ity raha nahita an’ity vehivavy niboridana tanteraka, ka nisy tamin’ireo vantan-dahilahy no avy hatrany sahy nibeda an’ity vehivavy voalaza fa mpamosavy, ary ny hafa kosa nandroaka devoly azy. Raha ny loharanom-baovao mari-pototra voaray avy any an-toerana, dia adala mpirenireny ity vehivavy ity, ary avy any amin’ny distrikan’ Ambalavao iny ny fiaviany. Raha ny fantatra araka ny loharanom-baovao voaray hatrany, dia matetika fanaon’ity tovovavy tratry ny aretin-tsaina voadona ara-pitiavana ity ny matory midoridana eny rehetra eny, ary nisy fotoana izy ny fiandohan’ny volana febroary ity natory tamina sekoly iray tany an-toerana nandritra ny efatra andro. 

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici