Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no hita faty tao amin’ny ranon’Ikopa teny amin’iny faritra Anosimahavelona iny omaly. Efa simba tanteraka ny razana ary tsy misy azo namantarana intsony, araka ny fanazavàna azo. Ny fizahana nataon’ireo mpitsabo tonga teny an-toerana no nahafantarana fa mety ho efa andro maromaro izy ireo no namoy ny ainy ary nilona tao anaty rano tao. Hatreto dia ankamantatra tanteraka ny antony nahafaty ity lehilahy ity. Nisy namono sa lasan’ny rano, vokatr’ireny oram-be ireny ? Ny hany fantatra aloha, raha ny fanazavàna azo hatrany dia tsy nahitàna marika na diana ratra teny aminy. Ary noho izy io efa somary simba dia sarotra ho an’ireo mponina ihany koa ny namantatra azy. Tsy nisy taratasy na zavatra azo namantarana azy rahateo teny aminy. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, ary efa nentina teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha ny razana. Fantatra fa efa nanokatra ny fanadihadiany ireo mpitandro filaminana.
m.L