- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversHjra : Olona roa maty namono tena omaly

Hjra : Olona roa maty namono tena omaly

Ny iray tovovavy ary ny faharoa raim-pianakaviana. Ny nampitovy ny tranga dia samy olana ara-pitiavana avokoa no nanosika azy ireo handray ny fanapahan-kevitra tsy azo niverenana dia ny famoizam-po izany. Samy omaly avokoa izy ireo no maty rehefa natao ny fialàna nenina rehetra. Ilay tovovavy izay mipetraka eny Manakambahiny dia nihinana fanafody marobe mba hoentiny hamonoana ny tenany. Efa reraka izy no tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana ary tsy nahatsiaro tena intsony. Natao avokoa ny famonjena rehetra ka iray andro taorian’izany, omaly antoandro, no namoy ny ainy izy. Mbola tanora ary tsy manambady ity olona nodimandry ity. Ny faharoa indray dia omaly maraina no tonga tao amin’ny hopitaly ary efa reraka ihany koa. Io indray dia lehilahy 38 taona efa manambady. Notsatohany antsy ny tendany. Izany no nitarika ny fahaverezan-drà sy ny fahatapahan’ny lalan-drivotra mankany amin’ny taova. Ny harivan’ny omaly no namoy ny ainy ihany koa na teo aza ny fomba rehetra nataon’ny mpitsabo entina nanavotana azy. Raha ny fanazavana tsotsotra azo dia tao anatin’ny hamamoana no nanatontosan’ity lehilahy ity ny famonoan-tena. Mahavariana ihany anefa ny fahasahiany, satria vitsy ihany ny olombelona sahy hanapaka ny tendany izany. Andro iray, olona roa no maty namono tena. Misy ary tena misy ny famoizam-po izay matetika dia antony roa hatrany no tena mitarika amin’izany. Ny voalohany ny dia ny olana ara-pitiavana ary ny faharoa kosa dia olana mitambesatra be loatra ho an’ilay olona. Misy ireo izay tsy mahaloa trosa, ny olona matahotra ny higadra sns… dia aleony mamono ny tenany. Any ivelany dia mandray andraikitra avy hatrany ny olona manodidina sy akaiky ny olona ahiana hamono tena ary mampandre mpitsabo na manam-pahefana raha vao misy fitondran-tena miova na mampiahiahy. Resahin’ny mpitsabo sy ny manam-pahaizana amin’ny fanarenana ara-tsaina ilay olona ary avy amin’izany no handresen-dahatra azy tsy hamono tena. Midika izany fa avy eo amin’ny fiaraha-monina misy azy ihany no mety ho vahaolana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici